Wikipedia:Fandraisana

Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 94 812 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Seal of Madagascar.svg

Ny Fahefana Avon’ ny Tetezamita (frantsay: Haute Autorité de Transition - HAT) dia rafitra mpanatanteraka vonjimaika tonga teo amin’ ny fitondrana teto Madagasikara taorian’ ny fanonganam-panjakana nanery an’ i Marc Ravalomanana handao ny firenena ny 17 Marsa 2009 vokatry ny fihetsiketsehana malagasy tamin' ny taona 2009. Nitarika izany i Andry Rajoelina, izay nanendry mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanana herinandro vitsivitsy talohan’ ny fanolorana ny fahefana mpanatanteraka avy amin-dRavalomanana ho an’ ny miaramila, izay nanome ny fahefana ho an’ ny Fahefana Avon’ ny Tetezamita. Tamin( ny voalohay dia nannjakan' ny Tanora Malagasy Vonona (TGV), ankolafy Rajoelina, ny Fahefana Avon’ ny Tetezamita (FAT).

Andry Rajoelina

Tamin' ny ny 17 Septambra 2011 no nosoniavin’ireo lehiben’ny mpanohitra izay tohanan’ny Southern African Development Community (SADC), ny "Sori-dalana amin’ny famaranana ny krizy eto Madagasikara". Ity fanapahan-kevitra ity dia mikendry ny hanangana governemanta marin-toerana indray, ary hampitsahatra ny krizy politika naharitra teto Madagasikara. Naverin'ny FAT imbetsaka ny fifidianana ankapobeny, izay natao tamin'ny 20 Desambra 2013, taorian'ny fihodinana voalohany tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 25 Oktobra. Ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny volana Desambra dia fihodinana faharoa teo amin’i Jean Louis Robinson sy Hery Rajaonarimampianina, ireo kandidà roa voalohany nivoaka tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny volana Oktobra. Nambara tamin’ny 7 Janoary 2014 ny vokatra ofisialin’ny fihodinana faharoa ka nambaran-dRajaonarimampianina ho mpandresy tamin’ny vato efa ho 54%. Io fifidianana io no namarana ny FAT ary namerina ny fitondrana ara-dalàna teto Madagasikara.

(tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny tsimokaretina coronavirus

Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Vehivavy telo avy any Frantsa no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana.

Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao Antananarivo na Toamasina ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa.

Ny Institut Pasteur eto Madagasikara no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19.

Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy.

Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza. (tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ny anio

Leaf epidermis.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 



Fiteny

Wikipedia:Fandraisana

Pejy rehetra ·Sokajy ·Fikambanana ·Fanoroana