Wikibolana

Ny Wikibolana (avy amin'ny fitambaran'ny teny wiki sy rakibolana; fanagasiana ny teny Wiktionary izay avy amin'ny fitambaran'ny teny wiki sy dictionary) dia tetikasa iray ny Wikimedia Foundation. Ny tanjon'io tetikasa an'i Wikimedia Foundation io dia mamorona raki-bolana malalaka, izany hoe raki-bolana azo ovaina malalaka ary manana votoatiny azo zarazaraina araka ny lisansa malalaka Creative Commons.

Ny antom-pisian'ny raki-bolana Wikibolana dia manao raki-bolana mamisavisan'ny teny rehetra ampiasain'ny fiteny malagasy, na manome dikan-teny amin'ny teny malagasy ny teny iditra amin'ny fiteny vahiny. Amin'ny farany, ny tetikasa wikibolana dia tokony manome haiendriteny amin'ny fiteny wolof an'ny teny ampiasain'ny fiteny inuktitut.

Ny wikibolana amin'ny fiteny malagasy dia sampana amin'ny teny malagasy an'io tetikasa io, dikan'izany ao aminy no misy ny teny ary ny fanazavana mikasikan'ny teny amin'ny fiteny malagasy. Fa ao avokoa ny tenin'ny fiteny rehetra ary azo hazavaina na dikaina izy ao.

Ny fanazavana ny teny iditra dia feno miaraka amin'ny etimolojia, ny fanononana, ny dikan-teny ary ny isan'ny teny mitovy dika. Ary ny matoanteny dia manana ny pejy mikasika ny fitanisana azy.

Tantarahanova

Ny fampiasana bot (rôbô) mba hampitombo ny isan'ny teny iditra ao amin'ny Wikibolana iray dia hita eto amin'ity grafika ity izay maneho ny fivoaran'ny isan'ny teny iditry ny Wikibolana valo lehibe indrindra tamin'ny 2009.
Ny Haben'ny Wikibolana folo lehibe indrindra


Tamin'ny voalohany ny Wikibolana dia zana-tetikasa an'i Wikipedia izay nanana ny adiresy wiktionary.wikipedia.org ho adiresy vonjimaika. Manana ny adiresy ho azy manokana ny Wikibolana nanomboka ny 1 Mey 2004. Ny Wikibolana tsy miteny anglisy voalohany nosokafana dia ny Wikibolana amin'ny teny frantsay ary amin'ny teny poloney. Taorian'izany dia maro ireo Wikibolana hafa nosokafana: manana ny tetikasa Wikibolana ho azy ireo teny izay efa manana Wikipedia.

Dimy taona taorian'ny nahazoany ny adiresy ho azy manokana dia 5 tapitrisa no isa manontolon'ny teny iditra ao amin'ny Wikibolana izay miisa 172. Tamin'ny 2013, eo amin'ny enina ambin'ny folo faingo roa tapitrisa no isan'ny teny iditra ao amin'ny Wikibolana miisa 170. Tamin'ny volana Aprily 2013, Wikibolana sivy ambin'ny roaolo no manana isan-teny iditra mahery ny iray hetsy. Tamin'ny volana Aprily 2013 ihany koa dia nihoatra ny 100 tapitrisa no isan'ny fanovana natao eraky ny Wikibolana.[1]

Ny ankamaroan'ny teny iditra natsofoka tao amin'ilay tetikasa dia natsofoky ny bot izay rindrankajy namboarina hiasa eo amin'ny tranonkala iray. Maro ny teny iditra ary ny fanatsarana nentin'ireo bot ireo. Ny asan'izy ireo dia mampiditra teny iditra avy amin'ny loharanon-pampahalalana iray toa ny rakibolana malalaka hafa izay misy eo amin'ny Aterineto, na rakibolana antitra izay manana votoatiny tsy azo iharan'ny zom-pamorona intsony. Mahery ny iray alina sy iray hetsy ny isan'ny teny nampidirina teo amin'ny Wikibolana amin'ny teny anglisy avy amin'ireo rakibolana izay manana votoatiny tsy azo iharan'ny zom-pamorona ireo.

Tamin'ny volana Mey 2013, ny isa manontolon'ny pejim-botoatin'ny Wikibolana folo lehibe indrindra dia 49,4% ny isa natambatry ny pejim-botoatin'ny Wikibolana rehetra.

Wikibolana amin'ny teny malagasyhanova

Ny nahabe ny wikibolana amin'ny teny malagasy dia ny fampidirana teny iditra ho azy avy amin'ny matoanteny amin'ny fiteny volapoky. Fito hetsy eo ho eo no isan'ny teny iditra amin'ny teny volapoky ary ny sisa dia teny iditra amin'ny teny latina, italiana, anglisy ary latina. Ny isan'ny teny iditra mahakasika ny teny malagasy dia misy eo amin'ny roa alina eo ho eo.

Fitomboanahanova

  • Tamin'ny 2005 ny Wikibolana amin'ny teny malagasy no noforonona.
  • Tsy dia nisy ny fandraisan'anjara tamin'io Wikibolana io nandritry ny efa-taona.
  • Ny taona 2010 no taona nahatongavan'i Jagwar. Ny Wikibolana amin'ny teny malagasy no lasa wiki lehibe indrindra, amin'ny teny malagasy ary amin'ny teny afrikana. Izy io dia vokatry ny fampidirana bikan'anarana sy endriky ny matoanteny isan-karazany, fa indrindra indrindra amin'ny teny volapoky.
  • Nanomboka tamin'ny volana Martsa 2011, 1,2 tapitrisa eo ho eo ny isan'ny teny iditra amin'ny teny malagasy.
  • Tamin'ny volana Jolay, nilatsaka ho valo hetsy ny isan'ny teny iditra tao amin'i Wikibolana noho ny famafana ireo teny amin'ny fiteny volapoky tsy misy mampiasa. Voadika tamin'ny teny malagasy koa ireo teny dimanjato miasa indrindra amin'ny fiteny vahiny.

Tsikerahanova

Voatsikeran'ny mpikambana avy amin'ny wikibolana hafa, indrindra avy amin'ny teny anglisy, ny teny wikibolana amin'ny teny malagasy. I Jagwar irary no mpandray anjara ao miaraka amin'ny rôbôny io rôbô ampiasainy io no nampiditra ny teny iditra amin'ny teny volapoky. Ary voatery najanony io rôbôny io noho ny tsikera sy ny hataka nataon'ny mpikambana avy any amin'ny wikibolana hafa, noho ny tsifanajana ny zom-pamrona (tamin'ny alalan'ny fandikana votoatiny avy any amin'ny wiki hafa tsy nahazoana alalana) ; nisy lahatsoratra valo arivo tany ho any no nofafana noho ny tsifanajana ny zom-pamorona.

Wikibolana amin'ny teny frantsayhanova

Ny Wikibolana amin'ny teny frantsay dia anisan'ny Wikibolana voalohany indrindra nosokafana taorian'ny fisokafan'ny Wikibolana amin'ny teny anglisy. Tamin'ny volana Aprily 2013 izy dia nanana teny iditra mahery ny roa faingo telo tapitrisa, izay manao azy ho Wikibolana faharoa lehibe indrindra aorian'ny Wikibolana amin'ny teny anglisy. Ao amin'ilay Wikibolana amin'ny teny frantsay dia ahitana teny iditra 1,2 tapitrisa amin'ny teny frantsay, 150 000+ amin'ny teny rosy, 156 000+ amin'ny teny biolgara. Ankohatr'ireo teny ireo dia ahitana teny hafa mahery ny roa arivo.[2]

Wikibolana amin'ny teny anglisyhanova

Ny Wikibonanaa amin'ny teny anglisy dia ny Wikibolana voalohany nosokafana. Nanana adiresy vonjimaika wiktionary.wikipedia.org ny Wikibolana amin'ny teny anglisy tamin'ny volana Desambra 2002. Tamin'ny 2004 dia navadika ho www.wiktionary.org ny adiresin'ilay Wikibolana, ary tamin'ny 2004 dia nivadika ho en.wiktionary.org ny adiresiny. Telo faingo roa tapitrisa no isan'ny teny iditra ao amin'ny Wikibolana amin'ny teny anglisy.[3].

Araka ny statistikan'ny pejy vangiana isam-bolana, ny Wikibolana amin'ny teny anglisy no be mpitsidika indrindra, eo alohan'ny Wikibolana amin'ny teny frantsay ary ny Wikibolana amin'ny teny rosy.[4]

Jereo koahanova

Rohy ivelanyhanova

Tsiahyhanova

  1. "Voatakon'ny (cache) Statistikan'ny Wikibolana ; novangiana ny 28 aprily 2013". Archived from the original on 2013-06-02. Retrieved 2013-06-02.
  2. Wiktionnaire: Statistiques ; novangiana ny 28 Aprily 2013
  3. Wiktionary:Statistics -- novangiana ny 28 Aprily 2013
  4. Page Views for Wiktionary
🔥 Top keywords: Baike: FandraisanaJinyIndôneziaModule:ArgumentsManokana:FikarohanaTantaran' i MadagasikaraKabary am-panambadianaKabary famangianaEjipta tamin' ny Andro TalohaBaike: Efemerida/toromarikaPaskaFiraisana ara-nofoManokana:Fiovana faranyBaike: FikambananaMediaWikiFiteny jeôrjianaDokuWikiHypertext Markup LanguageFiteny malagasyFanandroana malagasyMadagasikaraAdékanmi OlufadéTuriúbaWikimedia FoundationTolom-bahoaka tamin' ny 1947Wiki BaikeBaike: CopyrightsAndro fankalazana ao amin' ny jodaismaBaike: DinikaAl-TabariTorkiaAl-Nasa'iWikibolanaLarreule, Pyrénées-AtlantiquesTaom-baovao malagasyWikimaniaSahih al-TirmidhiRobin WilliamsFanoroana:FandraisanaKolontsaina malagasyWilliam KamkwambaBetsimisarakaAbu Dawud al-SijistaniWikiBatisaSiddhartha GautamaDidy FoloSikidy malagasyFampakaram-badyAl-TirmidhiSiansaVendéeTetiandro malagasyIbn MajahFilôzôfiaFoko eto MadagasikaraBaike: Community PortalBilbaoBaike: MombamombaMuhammad al-BukhariOniversiteAostraliaFiteny araboBaike: Fototra dimyFaritra SofiaEkaterina IINapoléon IJodasy IskariôtaWayback MachineSahih al-BukhariAntônio de Oliveira FilhoBaike: MpandrindraKatsakaSaryFiteny indônezianaAnjelyFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoKutub al-SittahBaike: Kianjam-pasikaKininina (zavamaniry)Sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaFanoroana:Ahoana no manao takelakaForyWash WestBokin' ny SalamoAziaFiteny javaneyHerinandro MasinaOdyValladolidWikimedia CommonsFanasan-tongotra (fivavahana)René DescartesGugnécourtSorona masinaSary:The Minnesota legislative manual. 1985-1986.pdfFanasan' ny TompoSokajy:Teraka tamin'ny taona 1701