Tetiandro persana

(tonga teto avy amin'ny Kalandrie persana)

Ny tetiandro persana na tetiandro jalaly na tetiandro iraniana dia tetiandro manara-masoandro ampiasaina indrindra ao Iràna sy ao Afganistàna. Avy amin' ny tetiandro zôrôastriana nampiasaina tany Persia (na Persa) talohan' ny fahatongavan' ny finoana silamo tao ny tetiandro persana. Marina kokoa noho ny tetiandro gregôriana ny tetiandro persana noho ny fomba fampifandimbiasany ny taona misy andro 365 sy ny taona misy 366 andro.

Isaina manomboka amin' ny andron' ny Hijra ny taona, izany hoe manomboka amin' ny taona 622 amin' ny tetiandro joliana, nefa ny 16 Jolay izay heverina araka ny lovantsofina fa nisehoan' ny Hijra dia nosoloana ny ekinôksan' ny lohataona (any amin' ny ila-bolantany avaratra). Noho izany, ny andro voalohany amin' ny volana Farvardin amin' ny taona 1 dia ny 19 Marsa 622 amin' ny tetiandro joliana, satria ny ekinôksan' ny lohataona dia miseho iray andro mialoha amin' ny 8 ora sy 56 minitra amin' ny famantaranoran-jiaby, izany hoe amin' ny 12 ora sy 21 minitra amin' ny famantaranoran' i Teheran.

Ny volana ao amin' ny tetiandro persanahanova

Ny volana roa ambin' ny folo ao amin' ny tetiandro persana dia mitanila raha mitaha amin' ireo volana gregôriana. Manombolaka amin' ny lohataona ny taona, ka mifanandrify amin' ny 21 Marsa izany. Mifanandrify amin' ny fizaràn' ny zôdiaka ny volana. Ao Afganistàna ohatra dia ny anaran' ny evan' ny zôdiaka amin' ny teny arabo no anaran' ny volana, fa ny ao Iràna kosa ireo volana ireo dia mitondra anarana avy amin' ny teny ampiasaina ao amin' ny zôrôastrisma. Ireto omena manaraka ireto ny anarana iranianan' ny volana tsirairay. Mety hisy fiovana ny daty tena izy arakaraka ny fiovan' ny datin' ny ekinôksan-dohataona.

Fari-potoanaFaharetanyAnarany
21 Marsa - 20 Avrily31 androفروردین / Farvardin [færværdin]
21 Avrily - 21 Mey31 androاردیبهشت / Ordibehešt [ordiːbeheʃt]
22 Mey - 21 Jona31 androخرداد / Khordâd [xordɒːd]
22 Jona - 22 Jol.31 androتیر / Tir [tiːr]
23 Juil. - 22 Aog31 androمرداد / Mordâd [mordɒːd]
23 Aog - 22 Sept.31 androشهریور / Šahrivar [ʃæhriːvær]
23 Sept. - 22 Okt.30 androمهر / Mehr [mehr]
23 Okt. - 21 Nov.30 androآبان / Âbân [ɒːbɒn]
22 Nov. - 21 Des.30 androآذر / Âzar [ɒːzær]
22 Des. - 20 Jano.30 androدی / Dey [dej]
21 Jano. - 19 Feb.30 androبهمن / Bahman [bæhmæn]
20 Feb. - 20 Marsa29 na 30 androاسفند / Esfand [esfænd]

Jereo koahanova

🔥 Top keywords: Baike: FandraisanaJinyIndôneziaModule:ArgumentsManokana:FikarohanaTantaran' i MadagasikaraKabary am-panambadianaKabary famangianaEjipta tamin' ny Andro TalohaBaike: Efemerida/toromarikaPaskaFiraisana ara-nofoManokana:Fiovana faranyBaike: FikambananaMediaWikiFiteny jeôrjianaDokuWikiHypertext Markup LanguageFiteny malagasyFanandroana malagasyMadagasikaraAdékanmi OlufadéTuriúbaWikimedia FoundationTolom-bahoaka tamin' ny 1947Wiki BaikeBaike: CopyrightsAndro fankalazana ao amin' ny jodaismaBaike: DinikaAl-TabariTorkiaAl-Nasa'iWikibolanaLarreule, Pyrénées-AtlantiquesTaom-baovao malagasyWikimaniaSahih al-TirmidhiRobin WilliamsFanoroana:FandraisanaKolontsaina malagasyWilliam KamkwambaBetsimisarakaAbu Dawud al-SijistaniWikiBatisaSiddhartha GautamaDidy FoloSikidy malagasyFampakaram-badyAl-TirmidhiSiansaVendéeTetiandro malagasyIbn MajahFilôzôfiaFoko eto MadagasikaraBaike: Community PortalBilbaoBaike: MombamombaMuhammad al-BukhariOniversiteAostraliaFiteny araboBaike: Fototra dimyFaritra SofiaEkaterina IINapoléon IJodasy IskariôtaWayback MachineSahih al-BukhariAntônio de Oliveira FilhoBaike: MpandrindraKatsakaSaryFiteny indônezianaAnjelyFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoKutub al-SittahBaike: Kianjam-pasikaKininina (zavamaniry)Sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaFanoroana:Ahoana no manao takelakaForyWash WestBokin' ny SalamoAziaFiteny javaneyHerinandro MasinaOdyValladolidWikimedia CommonsFanasan-tongotra (fivavahana)René DescartesGugnécourtSorona masinaSary:The Minnesota legislative manual. 1985-1986.pdfFanasan' ny TompoSokajy:Teraka tamin'ny taona 1701