Google

Ny Google inc (API : [gugœl]) dia orinasa noforonin'i Larry Page sy Sergey Brin tamin'ny 27 Septambra 1998 tany amin'ny Sillicon Valley any Kalifornia.

Tamin'ny fanombohan'ny taona faha 2008, 210 lavitrisa dollar no lanjan'i Google tany amin'ny toeram-barotr'i Wall Street. Nanana lohamilina 1,8 tapitrisa hono i Google tamin'ny 2009, anefa 4 hetsy fotsiny no isany tamin'ny 2006.

Hanao mpikaroka manana anarana Caffeine vaovao indray Google[1] i Google ho an'ny taona ho avy.

Tamin'ny fitaona anelanelan'ny Jiona 2000 sy Novambra 2004, efa miisa 8 lavitrisa mahery ny pejy hitan'ny mpikaroka Google. Tamin'ny 2008, iray lavitrisa mahery no isan'ny pejy hitany manerana ny Tranonkala[2].

Tantarahanova

Fitombohan'i Googlehanova

Tamin'ny 1996, i Google, nitondra anarana BackRub tamin'izany fotoana izany, dia tetikasa siantifika iasan'i Larry Page sy Sergey Brin, mpianatra mianatra momba ny rindrankajy fikarohana ao amin'ny oniversiten'i Stanford. Mieritreritra rindrankajy mandinika ny fifandraisan'ny sehatra web izareo, ary io rindrankajy io mety manome valin-karoka tsaratsara kokoa nohon'ny mpikaroka mifaninana aminy tamin'izany, indrindra Altavista.

Novidiana tamin'ny 15 Saptambra 1997 ny anaram-bala « google.com »

Mitady vola anamboarana ny orinasany ireo mpianatra roa. Novainy ho « Google » ny anaran'ilay tetikasa. I Andy Bechtolsheim, anisan'ny namorona ny Sun Microsystem dia nanome azy ireo 100 000 $ tamin'izy nahita ny fandehanan'ny rindrankajy fikarohana google sy ny zavatra afaka nataony. Azony ihany ny 1 000 000 $ avy amin'ny fianankaviany sy ny namany, ary afaka natomboka avy teo ny orinasa Google Inc. tamin'ny 7 Septambra 1998. Garajy tao Menlo Park no biraony voalohany.[3][4]

Tamin'ny volana Febroary 1999, fikarohana 500 000 no omen'i Google valiny, ary tafakatra telo tapitrisa izy tamin'ny Aogositra. Tamin'ny volana Martsa, nifindra toerana tany Palo Alto ny orinasa, ary tamin'ny 9 Septambra 1999, tapitra ny fanandramana.

Mametraka ny fahombiazany i Googlehanova

Tamin'ny janoary 1999, manomboka miresaka sy manoratra momban'ny zavatra afaka ataon'i Google ny gazety. Manoratra ny gazety frantsay Le Monde fa mandraitra ny safidy ara-teknikan'i Google. Raha atsofoka izao ohatra ny teny « Bill Clinton » eo amin'ny Google, dia mamoaka ny tranonkala ny Whitehouse (Tranofotsy) izy, kanefa any amin'ny Altavista, tsy tonga dia asehony avy hatrany izany valiny izany : Tsy maintsy misafidy impolo na mahery vao avoakany ilay valiny. Lafitsara hafa : ataon'i Google soramatavy ny keyword ao anatin'ny fehezanteny, na ao amin'ny lohateny mitondra mankany amin'ilay pejin-tranonkala (raha misy) na ao amin'ny fizaràna misy ilay keyword, kanefa i Altavista tamin'izany tonga dia manome ny rohy avy hatrany.

Tamin'ny Jiona 2000, Google no mpikaroka voalohany indrindra mafantatra ny fisian'ny pejin-tranonkala 500 tapitrisa. Miara-miasa amin'i Yahoo! i Google ary nanomboka mamoaka dokam-barotra mandeha arakaraky ny keyword natsofoka. Tamin'ny faran'ny taona 2000, afaka ampiasaina ny Google toolbar.

Niandry an'i Eric Schmidt ho filohan'i Novell i Larry Page sy Sergey Brin tamin'ny Martsa 2001, mba hiitatra ny orinasa. Tamin'ny 4 Septambra 2001, manana ny brevet-ny i Google momban'i PageRak. Ankehitriny, fikarohana voalohany eo amin'ny Internet i Google ankehitriny ; 80 isan-jaton'ny internaoty amerikanina no mampiasa ny fitaovam-pikarohana Google, kanefa 35 isan-jaton'ny sinoa monja no mampiasa azy, satria alehany ilay tranonkala sinoa Baidu, mamoaka valim-pikarohana tsaratsara kokoa ho an'ny karoka amin'ny fiteny sinoa.

Sampandraharaha vaovao sy orinasa novidianahanova

Fiavian'ny anaranahanova

Google sy ny fananana ara-tsainahanova

Ny loharano ara-bolahanova

Ny AdWordshanova

Ny AdWords dia fivarotana ireo teny tadiavina ("keyword" na "mots-clés") amin'ireo orinasa izay sahy manome vola betsaka indrindra mba hipoitra voalohany amin'ireo valin'ny fikarohana ny tranon-kala. Izany hoe raha manoratra ieo teny tadiavina izay nisy nividy ianao dia ireo izay nandoa vola betsaka indrindra no mipoitra amin'ireo valiny voalohany.

Ny Adsensehanova

Ny Adsense dia fomba iray hanaovan'i Google dokam-barotra, dokam-barotra izay misy rohy ka raha misy olona maromaro mikitika ilay rohy dia mahazo vola avy amin'ireo orinasa nampanao ny dokam-barotra izy. Tsy izy irery anefa no mahazo vola fa ireo tranon-kala izay nisy ilay dokam-barotra koa satria ny olona rehetra dia afaka mametraka dokam-barotra Adsense eo ami'ny tranon-kalany.

Fifandraisanahanova

« Don't be evil »hanova

Sampandraharaha elektrônikahanova

Google latitudehanova

Google bookshanova

Tsikerahanova

Jereo koahanova

Tsiahyhanova

Rohy ivelanyhanova

Lahatsoratra mifatotrahanova

  1. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2009-10-15. Retrieved 2009-10-05.
  2. Google a identifié mille milliards d'adresses sur la Toile Archived Septambra 26, 2009 at the Wayback Machine ((fr))
  3. Brin, Sergey; Page, Lawrence (1998). "The anatomy of a large-scale hypertextual Web search engine". Computer Networks and ISDN Systems 30 (1–7): 107–117. Endrika:Citation/identifier. http://infolab.stanford.edu/pub/papers/google.pdf. 
  4. Barroso, L.A.; Dean, J.; Holzle, U. (April 29, 2003). "Web search for a planet: the google cluster architecture". IEEE Micro 23 (2): 22–28. Endrika:Citation/identifier. https://semanticscholar.org/paper/8db8e53c92af2f97974707119525aa089f6ed53a. "We believe that the best price/performance tradeoff for our applications comes from fashioning a reliable computing infrastructure from clusters of unreliable commodity PCs." 
🔥 Top keywords: Baike: FandraisanaJinyIndôneziaModule:ArgumentsManokana:FikarohanaTantaran' i MadagasikaraKabary am-panambadianaKabary famangianaEjipta tamin' ny Andro TalohaBaike: Efemerida/toromarikaPaskaFiraisana ara-nofoManokana:Fiovana faranyBaike: FikambananaMediaWikiFiteny jeôrjianaDokuWikiHypertext Markup LanguageFiteny malagasyFanandroana malagasyMadagasikaraAdékanmi OlufadéTuriúbaWikimedia FoundationTolom-bahoaka tamin' ny 1947Wiki BaikeBaike: CopyrightsAndro fankalazana ao amin' ny jodaismaBaike: DinikaAl-TabariTorkiaAl-Nasa'iWikibolanaLarreule, Pyrénées-AtlantiquesTaom-baovao malagasyWikimaniaSahih al-TirmidhiRobin WilliamsFanoroana:FandraisanaKolontsaina malagasyWilliam KamkwambaBetsimisarakaAbu Dawud al-SijistaniWikiBatisaSiddhartha GautamaDidy FoloSikidy malagasyFampakaram-badyAl-TirmidhiSiansaVendéeTetiandro malagasyIbn MajahFilôzôfiaFoko eto MadagasikaraBaike: Community PortalBilbaoBaike: MombamombaMuhammad al-BukhariOniversiteAostraliaFiteny araboBaike: Fototra dimyFaritra SofiaEkaterina IINapoléon IJodasy IskariôtaWayback MachineSahih al-BukhariAntônio de Oliveira FilhoBaike: MpandrindraKatsakaSaryFiteny indônezianaAnjelyFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoKutub al-SittahBaike: Kianjam-pasikaKininina (zavamaniry)Sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaFanoroana:Ahoana no manao takelakaForyWash WestBokin' ny SalamoAziaFiteny javaneyHerinandro MasinaOdyValladolidWikimedia CommonsFanasan-tongotra (fivavahana)René DescartesGugnécourtSorona masinaSary:The Minnesota legislative manual. 1985-1986.pdfFanasan' ny TompoSokajy:Teraka tamin'ny taona 1701