Eorôpa

Kontinenta

I Eorôpa dia kôntinenta hita manontolo ao amin' ny ila-bolantany avaratra sady manana ny ampahany be amin' ny taniny ao amin' ny ila-bolantany atsinanana, izay voafaritry ny kôntinentan' i Azia avy ao atsinanana, ny Ranomasina Mediteranea avy ao atsimo, ny Ranomasimbe Atlantika sy ny Ranomasin' i Nôrvezy avy ao andrefana, ary ny Ranomasimbe Arktika avy ao avaratra i Eorôpa. Matetika dia zaraina ho faritra efatra i Eorôpa ka ahitana an' i Eorôpa Avaratra, i Eorôpa Andrefana, i Eorôpa Afovoany, i Eorôpa Atsinanana ary i Eorôpa Atsimo.

Sarin-tanin' i Eorôpa sy ny tany manodidna azy
I Eorôpa eo anivon' izao tontoloo izao

Lazaina matetika fa anisan' ny kôntinenta enina misy eto an-tany i Eorôpa. Izy io dia ny faritra andrefana amin' i Eorazia na faritra avaratra ao amin' ny kôntinentan' i Afrô-Eorazia, arakaraky ny fomba fijery. Ny solonan' arany dia hoe "Tontolo Tranainy", satria mifanohitra amin' ny "Tontolo Vaovao" (zany hoe i Amerika). Ao Eorôpa dia misy kolontsaina maromaro manana fianjadiana sy lova iraisana. Kôntinenta faharoa kely indrindra eto an-tany i Eorôpa amin' ny lafiny velaran-tany (10,18 tapitrisa km2), na 2 %n' ny velaran' ny tany maina na 6,8 %n' ny velaran' ny Tany, raha atambatra ao ny velaran' ny ranomasina rehetra. Misy firenena dimampolo ao Eorôpa, ary i Rosia no ngeza indrindra amin' ireo na amin' ny lafiny isan 'ny mponina na amin' ny lafiny velaran-tany, ary i Vatikàna no firenena kely indrindra amin' ireo, na amin' ny lafiny isa-mponina na amin' ny lafiny velaran-tany. I Vatikàna koa no firenena kely indrindra eto an-tany. Araka ny Firenena Mikambana dia mety milatsaka ho 7 % ny tahan' ny isan' ny mponina ao Eorôpa amin' ny 2050 raha 25 % izany tamin' ny taona 1900, 25 %.

Ny Tampolin'i Apollo

Any Eorôpa, i Grisia Taloha no toerana nahaterahan' ny kolontsaina eorôpeana. Nahazo lanja ireo firenena eorôpeana tamin' ny taonjato faha-16, indrindra taorian' ny fiantombohan' ny fanjanahan-tany. Teo anelanelan' ny taonjato faha-16 sy ny taonjato faha-20, ireo firenena eorôpeana dia nanana zanatany tany Amerika (indrindra tamin' ny taonjato faha-17 sy faha-18), tao amin' ny ankabeazan' i Afrika, tao Ôseania, ary tao amin' ny tapany avaratra sy atsimon' i Azia. Ny Ady Lehibe rehetra dia niainga avy tao Eorôpa, nampahazo lanja an' i Etazonia sy ny Firaisana Sôvietika teo anivon' ny taonjato faha-20. Nandritra ny Ady Mangatsiaka dia voazara roa i Eorôpa: ny faritra andrefana dia ao amin' ny OTAN ary ny faritra atsinanana dia entin' ny Dinan' i Varsovia, nampihidy ny Fiaro Vy ("Rideau de Fer" amin' ny teny frantsay).

Fizaràm-paritra ao Eorôpahanova

Eorôpa Andrefanahanova

I Eorôpa Andrefana dia faritra mamondrona ireo firenena mananana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. Amin' ny lafiny ara-tantara, i Eorôpa Andrefana dia ireo firenena nanana fifandraisana diplômatika tamin' i Etazonia nandritry ny Ady Mangatsiaka, fa naitatra izy mba ho tafiditra ao ny firenena tsy momba ny atsy na ny aroa toa an' i Soisa; manomboka mifafa izany sary izany tamin' ny fanitarana ny Vondrona Eorôpeanina. Ireto avy ireo firenena isan' i Eorôpa Andrefana: i Alemaina, i Aotrisy, i Belzika, i Danemarka, i Espaina, ny Fanjakana Mitambatra, i Finlandy, i Frantsa, i Irlandy, i Islandy, i Italia, i Liechtenstein, i Loksemborga, i Nederlandy, i Norvezy, i Pôrtogaly, i Soeda, ary i Soisa.

Eorôpa Avaratrahanova

I Eorôpa Avaratra dia faritra ao amin' ny tapany avaratra amin' i Eorôpa izay ahitana ireo firenenena manana ny kolontsaina sy ny fiteny skandinaviana (Nôrvezy, Danemarka, Soeda sy Islandy) ary ny fiteny fenika (Finlandy sy Estônia).

Eorôpa Atsimohanova

I Eorôpa Atsimo dia faritra ara-jeôgrafia na ara-jeôpôlitika izay mahafaoka ny ampahany atsimo amin' i Eorôpa. Isan' izany ireo firenena sy fanjakana hita ao amin' ny saikanosy mediteraneana telo (ny Saikanosy Iberika sy ny Saikanosy Italiana ary ny Saikanosy Balkanika). Ireto avy ireo firenena ao Eorôpa Atsimo ireo: i Albania, i Andôra, i Bôsnia-Herzegôvina, i Espaina, i Gresy, i Italia, i Krôatia, i Makedônia Avaratra, i Malta, i Môntenegrô, i Pôrtogaly, i San-Marîno, i Serbia, i Slôvenia, ary i Vatikàna.

Eorôpa Afovoanyhanova

Ny Eorôpa Afovoany dia faritra ao Eorôpa eo anelanelan' i Eorôpa Atsinanana sy i Eorôpa Andrefana. Indreto ireo firenena azo sokajiana ao aminy: i Alemaina, i Aotrisy, i Hongaria, i Pôlônia, i Repoblika Tseky, i Slôvenia ary i Krôasia. I Krôasia sy i Romania koa tsindraindray dia sokajiana ao amin' ny firenen' i Eorôpa Afovoany, i Krôasia dia ao amin' ny faritr' i Balkana.

Eorôpa Atsinananahanova

I Eorôpa Atsinanana dia ny faritra atsinanana ao Eorôpa izay faritan' ny tangoron-tendrombohitra Oraly, i Kaokazy, ny Ranomasina Kaspiana, ny Ranomasina Mainty, ny Ranomasina Marmara ary ny Ranomasina Egea avy ao atsinanana.

Firenena ao Eorôpahanova

Firenena eken' ny rehetrahanova

Inty ny lisitr' ireo firenena ao Eorôpa:

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Azerbaijàna (misy ampahany ao Azia)- Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Gibraltara - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlandy - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kazakstàna (misy mpahany ao Azia) - Kipra (na Sipra na Kiprôsy) - Krôatia (na Krôasia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Makedônia Avaratra - Malta - Môldavia - Mônakô - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Torkia (misy ampahany ao Azia) - Tsekia (na Repoblika Tseky) - Vatikàna

Ireo mbola misy tsy mankato ny maha firenena azyhanova

Abkazia (misy tapany ao Azia) - Karabaga Ambony (misy tapany ao Azia) - Kipra  Avaratra (na Sipra Avaratra) - Kôsôvô - Ôsetia Atsimo - Transnistria

Jereo koahanova

Ireo kontinenta

Ireo faritra hafa ao Eorôpa

🔥 Top keywords: Baike: FandraisanaJinyIndôneziaModule:ArgumentsManokana:FikarohanaTantaran' i MadagasikaraKabary am-panambadianaKabary famangianaEjipta tamin' ny Andro TalohaBaike: Efemerida/toromarikaPaskaFiraisana ara-nofoManokana:Fiovana faranyBaike: FikambananaMediaWikiFiteny jeôrjianaDokuWikiHypertext Markup LanguageFiteny malagasyFanandroana malagasyMadagasikaraAdékanmi OlufadéTuriúbaWikimedia FoundationTolom-bahoaka tamin' ny 1947Wiki BaikeBaike: CopyrightsAndro fankalazana ao amin' ny jodaismaBaike: DinikaAl-TabariTorkiaAl-Nasa'iWikibolanaLarreule, Pyrénées-AtlantiquesTaom-baovao malagasyWikimaniaSahih al-TirmidhiRobin WilliamsFanoroana:FandraisanaKolontsaina malagasyWilliam KamkwambaBetsimisarakaAbu Dawud al-SijistaniWikiBatisaSiddhartha GautamaDidy FoloSikidy malagasyFampakaram-badyAl-TirmidhiSiansaVendéeTetiandro malagasyIbn MajahFilôzôfiaFoko eto MadagasikaraBaike: Community PortalBilbaoBaike: MombamombaMuhammad al-BukhariOniversiteAostraliaFiteny araboBaike: Fototra dimyFaritra SofiaEkaterina IINapoléon IJodasy IskariôtaWayback MachineSahih al-BukhariAntônio de Oliveira FilhoBaike: MpandrindraKatsakaSaryFiteny indônezianaAnjelyFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoKutub al-SittahBaike: Kianjam-pasikaKininina (zavamaniry)Sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaFanoroana:Ahoana no manao takelakaForyWash WestBokin' ny SalamoAziaFiteny javaneyHerinandro MasinaOdyValladolidWikimedia CommonsFanasan-tongotra (fivavahana)René DescartesGugnécourtSorona masinaSary:The Minnesota legislative manual. 1985-1986.pdfFanasan' ny TompoSokajy:Teraka tamin'ny taona 1701